Isaorana anie Andriamanitra, izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. I Kor 15. 57
Isaorana anie Andriamanitra, izay manome antsika ny fandresena                   amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.                              I Kor 15. 57

NY FAHAMARINAN’ANDRIAMANITRA

Jesoa Kristy dia tonga tety an-tany efa 2000 taona lasa izay :

 

  • nanambara tamintsika olombelona an’Andriamanitra Izy (« révélation ») sy ny sitrapony ; ary Izy no Fanambaran’Andriamanitra ho antsika  olombelona.
  • Hoy izy : « … Ny asa nomen’ny Ray hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahan’ny Ray. ARY NY RAY IZAY NANIRAKA AHY, IZY NO MANAMBARA AHY » (Jao.5. 36b-37).

 

  • ary nanatanteraka  ny famonjena antsika  olombelona mpanota Izy tamin’ny  nanekeny ho sorona hisolo antsika, ka nanolorany ny ainy teo amin’ny hazo fijaliana, mba hahazoan’izay rehetra mino Azy ny fiainana mandrakizay (Jaona 3.16).

 

Jesoa Kristy, dia nitory tamin’ny fampianarany ny fomba tokonyataon’izay rehetra mivavaka amin’Andriamanitra. Hoy Izy : «  Fa avy ny andro, ary tonga ankehitriny,raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny Fanahy sy fahamarinana, fa ny Ray koa mitady mpivavaka Aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy ary izay mivavaka Aminy dia tsymaintsy mivavaka amin’ny Fanahy sy fahamarinana »( Jao. 4. 23-24).

 

 

Raha adika tsotra ny filazana izanyfanambaran’i Jesoa Kristy izany dia :

 

  1.  amin’ny zavatra tsy hita maso sy tsy azo

tsapai-tànana toy ny fanahintsika (ny fitiavana, ny fo, ny saina, ny fikasana…), no asain’ny Tompo  anatanterahana izany fomba fivavahana izany. Voalaza izany ao amin’ilay  Didy voalohany nolazain’i Jesoa : « … Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao , amin’ny fonao  rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra » (Mar. 12. 29b – 30 – Deo.6.4-5).

 

  • 2) amin’ny zavatra hita-maso sy azo tsapai-

Tànana kosa, dia ny fanaovana  ny fahamarinana amin’ny fifandraisana amin’ny olombelona toa antsika (izany hoe ny rariny, ny hitsiny, ny famindram-po, ny fifamelan-keloka, ny fiahiana ny namana sy fifanampiana eo amin’ny lafim-piainana rehetra …),  izany no fomba, anatanterahana ny Didy lehibe faharoa nambaran’i Jesoa Tompo, izay tsy azo sarahana amin’ny Didy lehibe voalohany : « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao » (Mar. 12. 31).

 

Koa amin’ny zava-drehetra, na ara-panahy na ara-nofo, izay ampiasàn’ny olona ny heriny rehetra hanompoany an’Andriamanitra, dia tokony hahitàna sy hatsapàna izany fahamarinana izany, indrindra ho tanterahana amin’ny fiaraha-miaina amin’ny olombelona sahala amin’ny tena.

 

Ny fitambaran’ny fiainana rehetra toy izany no anompoantsika an’Andriamanitra, sy ampisehoantsika ny fivavahantsika Aminy, ho araka ny FANAHY sy FAHAMARINANY, manaraka ny fanambaran’iJesoa Kristy Tompo.

 

Misy Tenin’ny Tompo milaza tsotra sy mivantana ny fahamarinana tokony hananan’ny Mpanarak’Azy, ka tsy maintsy hijoroany vavolombelona eo amin’izao tontolo izao. Hoy Izy : « Fa na iza na iza no menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona, raha avy amin’ny voninahiny sy ny an’ny Rainy…. » (Lio.9. 26). Manambara izany, fa mitaky fahasahiana sy fijoroana ho vavolombelona amin’ireo izay mpanarak’Azy eo amin’izao tontolo izao ny Fahamarinan’Andriamanitra.

Tokony haharitra isika fa ny vokatry ny fahamarinanamatetika tsy araka ny sitrapon’olombelona nefa kosa tsy hadinon’ny Tompo ary indraindray aza dia omena valiny tsy ampoizinao olombelona . (Ary ny vokatry ny fahamarinana na tsy fahamarinana ataontsika ety an-tany, izao ankehitriny izao, dia miandry antsika kosa rahatr’izay, any am-parany.

 

Koa raha dinihina izay niseho tamin’ny ora faranyniainan’i Jeso Tompo tety an-tany : nanao ahoana ny tantaran’ny Fahamarin’Andriamanitra ?

 

NY Mpitondra fivavahana Jiosy (ny lohan’ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra – Mat. 26. 59), dia nitady izay azony entina hiampangana lainga an’i Jesoa mba hamonoana Azy.

Tsy nahita anefa izy ireo ka namorona fiampangana maro,ary nanangana vavolombelona nandainga. Ny mpisoronabe nampianiana Azy hilaza raha Izy no Kristy, Zanak’Andriamanitra. Namaly Jesoa hoe : « Voalazanao…. » (Mat. 26. 6 3b-64). Koa nilaza ny mpisoranabe fa « niteny ratsy » Jesoa (ni-« blasphémer »), satria nilaza ny tenany ho Mesia. Noho izany dia nolazaina fa mendrika hohelohina ho faty Izy.

 

Pilato, governora kosa, raha nanontany ny Tompoka nanao taminy hoe : « Hianao va no Mpanjakan’ny Jiosy ? », dia novaliany hoe« Voalazanao » (Marka 15.2). Nanambara tamin’i Pilato Jesoa hoe : « …Voalazanao fa mpanjaka Aho…ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amiko dia mihaino ny feoko ». « Fa hoy Pilato taminy : Inona no marina ? » (Jao. 18 37-38).

 

Nanambara tamin’i Pilato koa Jesoahoe : » « Hianao tsy manana fahefana Amiko akory , raha tsy nomena anao avy any ambony ; koa izay nanolotra Ahy taminao no mana-keloka bebe kokoa » (Jao. 19.11). Pilato moa dia tsy nahita izay fahadisoany ary nahalala fa fialonana no nitorian’ny Mpitondra fivavahana Jiosy Azy. Fanao amin’ny Paska tamin’izany ny famotsorana mpifatora iray izay angatahan’ny olona (Jao. 19. 39), koa rehefa nanontany ny Jiosy i Pilato na Barabasy, izay mpifatotraniaraka tamin’ireo izay « efa nahafaty olona tamin’ny fikomiana », no hovotsorana, na Jesosy, dia nisafidy an’i Barabasy ny vahoaka izay efa nomen’ny mpisorana fo ary  nitaky ny hanomboana amin’ny hazo fijaliana an’i Jesoa : « Homboy, homboy amin’ny hazo fijaliana Izy »(Lio. 2321). Ny hany nataon’i Pilato dia nanasa tànana niala tamin’ny andraikiny teo anatrehan’ny fahamarinana.

 

Fitsaran’olombelona, fitsaran’ny« Maro an’isa», fahamarinan’olombelona. Tsy ny isa maro toy ny jiosy no manana ny fahamarinana eto, Ao amin’Andriamanitra Irery ihany ny tena Fahamarinana (tokana fa tsy maro), tsy maninona azo indramina ny telo izay iray fa tsy maro an’isa izany. Fahamarinana izay tsy tratry ny sain’olombelona sy ny heriny, kanefa takiana hiezahn’ny Mpino fantarina amin’ny fanarahana izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina, araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina, koa andrasana hiainan’ny Mpino rehetra eo amin’ny fiainany manontolo, fa tsy amin’ny fanaovana fotoam-pivavahana ao anaty trano Fiangonana fotsiny ihany. 

 

Mipetraka amintsika Kristiana malagasy ny fanontaniana. Ahoana ami’izao andro diavintsika izao, ny fiainantsika izany Fahamarinan’Andriamanitra izany : eo amin’ny fiainam-piangonana sy eo amin’ny fijoroana ho vavelombelona amin’ny teny sy ny asa eo amin’izao tontolo izao, izay feno ratra, feno herisetra na amin’ny fifandraisana tsotra, na amin’ny fiadiana fahefana, na amin’ny fitiavam-bola tafahoatra sytsy aram-pahamarinana ? Ny làlan’ny maro an’isa sy matanjaka aram-pahefana toy ny tamin’ny andron’i Jesoa ve no harahantsikasa hijoro hikatsaka ny fahamarinana araka an’Andriamanitra isika, ka hiaina ka hiezaka hanantanterakaizany, na eo amin’ny fiainam-piangonana hitan’izao tontolo izao, na amin’ny fifandraisana any ivelan’ny Fiangonana ?Ho fitoriana ny Filazantsaran’iJesoa Kristy ny fiaianan’ny Fiangonana kristianina malagasy ka hampiseho fa ny Baiboly dia ho an’ny olona rehetra ary ho an’ny fiainana manontolo.

Eo ampitadiavana lalandàva ny FAHAMARINANA tian’i Jesoa ho tafiantsika ety an-tany isika.

Entitsika ambavaka lalandava ny hampanjakàna izany FAHAMARIN’AN’ANDRIAMANITRA izany

 

                              Atoa RAMORASATA Matthieu

                                   Filoha Lefitra Fpma Creil

Un texte ! Vous pouvez le remplir avec du contenu, le déplacer, le copier ou le supprimer.

Lorem ipsum dolor sit amet, consetetur sadipscing elitr, sed diam nonumy eirmod tempor invidunt ut labore et dolore magna aliquyam.