Raha jerena ny Lioka 15 manontolo dia ahitana fanoharana telo :
-ny fanoharana voalohany dia mikasika ilay ondry zato ka very ny iray (and 3-7).
-ny faharoa dia ity tenin’Andriamanitra anjarantsika ity - izay mitantara ilay vehivavy nanana farantsakely folo ka very ny iray (and 8-10).
-ary ny fahatelo dia fanoharana mikasika ilay tantara lazaina hoe “zanaka adala” (and 11-32).
Ireo fanoharana telo ireo dia samy manambara ny fitiavan’Andriamanitra ny mpanota. Na ireo heverin’ny olona ho tsy azo hantonina akory aza toy ny mpamory hetra dia tadiavin’Andriamanitra - na ireo heverin’ny olona ho tsinontsinona – kely sy bitika toy ny farantsa iray aza dia sarobidy amin’Andriamanitra.
Ny teny fanevan’izao Zaikabem-paritany izao moa dia ny hoe : « fanasina sy fahazavana ho an’ny manodidina » araka ny Matio 5, 13-14. Raha tarafina amin’io teny faneva io ny Lioka 15, 8-10, izay nofidiana hotoriana amin’izao fanokafana ny Zaikabe izao, ny fanontaniana mipetraka manitikitika ny saina dia hoe : inona marina ny toeranao raha mijery ny tenanao ao anatin’io Lioka 15, 8-10 io ianao – ilay vehivavy nitady ilay farantsakely ve sa ilay farantsakely ? Inona marina no toeran’ny Faritany Avaratra Andrefana raha mijery ny tenany ao anatin’io Lioka 15, 8-10 io izy ? Ilay vehivavy nitady ny very ve sa ilay farantsa very?
Moramora kokoa angamba ny mamaly hoe raha fanasina sy fahazavana ve aho tsy ho ilay vehivavy nitady ilay farantsakely? Raha fanasina sy fahazavana ve ny Faritany Avaratra Andrefana tsy ho ilay vehivavy nitady ny very?
Misy toetra maromaro nananan’ity vehivavy tantarain’i Lioka eto amin’ity texte ity, koa ndeha hojerentsika izany mba hahazoana mamaly ny fanontaniana etsy ambony sy mandray ny hafatry ny Tompo amin’izao fiandohan’ny Zaikam-paritany izao.
Hoy i Lioka raha manomboka ny fanoharana : “iza moa no vehivavy manana farantsakely folo ka very ny anankiray, no tsy hampirehitra jiro, ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?”
Toy ny milaza i Lioka hoe, tsy misy izany vehivavy tsy miraharaha ilay farantsakely very izany. Zava-dehibe aminy iny, ilainy iny - ka na dia kely aza dia tadiaviny. Toy ny milaza i Lioka hoe, tsy misy izany vehivavy tsy manana fo antra izany - tsy misy izany vehivavy tsy manana fitiavana sy fo onena izany. Tiany loatra ireo olona lavitra an’Andriamanitra – mahonena azy ireny ka manao izay fomba rehetra izy hahazoany azy ireny ho an’i Kristy.
Misy tenin’ny raiamandreny iray izay: “ny zavatra tsy hain’ny devoly indrindra eto ambonin’ny tany hoy izy dia ny fitserana”. Isan’izay maha-izy azy ny mino ny fitserana - ny fananana fo antra sy onena. Isan’izay maha fiangonana ny fiangonana ny fiainana amin’ny fitiavana. Ny asa atao amin’ny fitiavana ihany no fantatr’Andriamanitra sy ahitam-bokatsoa. “Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho hoy Paoly, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. Na dia omeko hohanin’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany” (I Kor 13, 1 snm).
Toetra faharoa: manana an’i Jesosy velona ao anatiny izy - mirehitra ny jirony.
Raha vao hanomboka hitady ilay farantsa izy, ny nataony voalohany indrindra dia ny nampirehitra jiro mba hahazoany manazava izay rehetra ao an-trano - mba hahazoany mahita kokoa izay eo amin’ny tany.
Mirehitra ny jiro ao anaty rehefa mirehitra ao anaty ilay fahazavan’izao tontolo izao dia Jesosy Kristy.
Rehefa avy nampirehitra jiro ity vehivavy ity, dia nanomboka namafa ny efitra nilatsahan’ilay farantsakely. Teo amin’ny fiaraha-monina jiosy dia ny vehivavy no mamafa trano. Andraikiny izany, asany isan’andro amin’ny maha-vehivavy azy izany.
Ny tiana hambara dia hoe: ny fiainana andavan’andron’ny mino mihitsy dia tokony ho fiainana miaraka amin’Andriamanitra mandrakariva. Izany fiainany miaraka amin’Andriamanitra izany no entiny mambabo ny manodidina azy ho an’ny Tompo fa asany izany - ho amin’izany no niantsoan’Andriamanitra azy.
Amin’izany fiainany andavan’andro izany, dia miara-miasa amin’Andriamanitra amin’ny fitoriana ny Filazantsara izy. Ny tranon’ny palestiniana tamin’izany fotoana izany, dia tany ny ambany - tsy nisy tsihy na tapis. Izany hoe, ilay vola dia latsaka ao anaty vovoka - noho izany, dia ataon’ity vehivavy ity tsara ny asany fa ho sarotra ny hahita ilay farantsa raha tsy izany. Tsy nanao asa zara fa vita izy.
Amin’ny teny hafa dia hoe, mila miaina mandrakariva amin’ny tenin’Andriamanitra ny mino mba hampisy vokatra ny asany. Ny tenin’Andriamanitra no mpitarika sy mpanitsy ny diany – ny tenin’Andriamanitra no mpampahery sy mpampionona azy – ny tenin’Andriamanitra no iankinany sy ijoroany.
Na dia tsy nisy olona nanatrika sy nanara-maso azy aza teo ampanaovany ny asany dia nataony tsara ny anjara asany sy ny andraikiny.
Miasa toy ny miasa eo imason’Andriamanitra mandrakariva ny mino. Ka rehefa miala eo amin’izay asa ataony izy na vita ny asany dia ho fantatry ny olona avy amin’izany asany izany fa olon’Andriamanitra no niasa teo.
Tsy misy fisaratsarahana ny fiainan’ny mino, toy ny hoe rehefa eny imason’olona dia maontina ery - miasa tsara, fa rehefa any amin’ny takotakona tsy misy mahita, dia tena mahavita zavatra mamoa fady mihitsy.
Toetra anakiray nananan’ity vehivavy ity ihany koa dia ny faharetana sy fanantenana. Nitady mandra-pahitany ilay vola izy. Izany faharetana izany dia velomin’ny fanantenana ao anaty. Tsy hoe nanaotao foana akory izy na hoe tsy nisy zotra ny fiainany fa nanantena izy. Nanantena izy fa indray andro any, dia mbola ho hitany ilay farantsa very. Hery lehibe eo am-panaovana ny asan’Andriamanitra ny fanantenana fa mamelombelona ny finoana izany.
Toetra fahafito: mahay mifaly sy mizara fifaliana amin’ny hafa izy – manana fiombonana amin’ny hafa izy.
Noho ireo toetra maro nananan’ity vevivahy ity dia hitany ihany ilay farantsakely latsaka tamin’ny tany. Rehefa izany dia namory ny sakaizany rehetra izy, ka nanasa an’izy ireo hiara-paly aminy. Mariky ny fahatsaran’ny fifandraisana misy eo aminy sy ireo sakaizany izany.
Sarobidy ny fiombonana amin’ny hafa. Isan’ny antony nahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana koa izany: nandrava ny fisarahana nisy teo amin’ny jiosy sy ny jentilisa – nandrava ny fisarahana nisy teo amin’ny samy olombelona.
Izay ny amin’ny toetran’ity vehivavy ity.
Araka izany dia hafa tsy toy ny mahazatra ny fitadiavana ny very eto amin’ity fanoharana ity. Ny mahazatra antsika dia ny fitorian-teny hoe : tsara Andriamanitra ry havana malala na hoe atolory an’i Jesosy ny fonao - fa eto kosa dia ny toe-piaina kristiana vokatry ny finoana velona no Filazantsara toriana amin’ny olona. Ny tian’ny Tompo havoitra ho antsika androany dia ny hoe: iainanao ve ny Filazantsara? Iainan’ny Faritany Avaratra Andrefana ve ny Soratra Masina – ny Soratra Masina ve no fanilo mpitarika sy mpihehy ny fiainany?
Velona ao anatinao ve Kristy? Manana fitiavana ve ianao? Velona ao aminao ve ny fanantenana avy amin’ny Tompo?
Mirehitra ao anatin’ny Faritany Avaratra Andrefana ve ilay fahazavan’izao tontolo izao dia Kristy? Manana fitserana - fo antra sy fo onena ireo mangetaheta ny Filazatsara ve ity Faritany ity? Faritany mahatoky ve ity Faritany ity na amin’ny miharihary na amin’ny miafina?
Mipetraka kely aloha mieritreritra. Hanananao ve ireo toetra tondroin’ity vehivavy ity fa toetran’ny fanasina sy fahazavana? Ilay vehivavy nitady ilay faratsakely ve ity Faritany ity sa ilay farantsa latsaka tamin’ny tany?
Teo amin’ny fiaraha-monina tamin’izany fotoana izany, ny farantsa iray dia karama indray andro ho an’ny fianakaviana antonontonony. Araka izany dia tena sarobidy amin’ny tompony tokoa izy. Raha very izy dia ataony izay ahitana azy. Fa ny farantsa tsy afaka mandeha mankeny am-pelan-tanan’ny tompony - mipetraka eo amin’ny toerana nilatsahany eo izy. Araka ity fanoharana ity dia toy izany koa no itadiavan’Andriamanitra ny mpanota. Tsy midika akory izany hoe toy ny vato aman-kazo tsy manantsafidy ny olombelona. Tsia. Omen’Andriamanitra fahafahana tanteraka izy hisafidy izay tiany. Fa ny tian’ny Tompo hambara dia hoe: ho fanasina sy ho fahazavana tokoa ianao raha manaiky fa tsy mahavonjy tena. Ho fanasina sy fahazavana tokoa ianao raha manaiky fa ny famonjena anao dia avy amin’Andriamanitra - ny fiananao dia tsinontsinona raha tsy eo am-pelan-tanan’Andriamanitra.
Ho fanasina sy fahazavana tokoa ny Faritany Avaratra Andrefana raha manaiky ny hotadiavin’ny Tompo sy horaisiny ary hosasany. Ho fanasina sy fahazavana tokoa ny Faritany Avaratra Andrefana raha manaiky fa ny mahatsara azy dia eo am-pelatanan’Andriamanitra.
Rehefa hitan’ity vehivavy ity ilay farantsakely dia nifaly izy sy ny sakaizany, afaka hampiasa ilay farantsakely amin’izay. Toy izany koa ny fifalian’Andriamanitra mandray izay manaiky horaisiny, manaiky hohavaoziny, manaiky hitafy ny fahamarinana sy ny fahamasinana ary ny fitiavana avy amin’ny Tompo – ary manaiky ny ho ampiasainy. Ny ilàn’Andriamanitra anao – ny ilàn’Andriamanitra ny Faritany Avaratra Andrefana dia ny handova ny fiainana mandrakizay sy hitarika ny hafa handova izany koa.
Asa tsy mila tambiny izany, fa ny harena ho anao any an-danitra dia ny finoanao miasa amin’ny fitiavana, fa ny voninahitra kosa dia ho an’Andriamanitra irery ihany, izay antoka sy fototry ny zavatra rehetra.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.
Zaranaina ANDRIALAMPISON, Mpitandrina