TENY FISAORANA
Amin-kafaliana lehibe no hitondrako ny fiarabana ho antsika mpitsidika ny « site » FPMA Creil amin’izao vanim-potoana lehibe eo amin’ny fiainana maha-kristiana antsika izao; Nandalo ny andro “Paska” nanala ny fisalasalana izay mbola tavela tao anatin-tsika tsirairay avy tao, ary nahafeno tanteraka ny Finoan-tsika an’I Jesosy Kristy nitsangana tamin’ny maty, Jesosy ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Sanatria tsy hanao toriteny ny tenako satria ao ireo havanana amin’izany dia ireo Ray amandreny am-panahy izay tsy mikely soroka mitondra sy manaparitaka ary mampianatra ny Fanekena vaovao, fa kosa hizara amin-tsika ny tsapako sy niainako nandritry izany fotoana izany.
Mino tanteraka aho fa voarain-tsika tsara daholo ny Didy vaovao napetrak’I Jesosy Kristy Tompontsika, satria porofon’izany ny fifankatiavana nasehontsika tamin’ny hetsika izay nataon-tsika tamin’ny Asabotsy 25 Aprily teo nentina nankalaza ny Anarany: Antsam-panahy, Antsan’ny Fanahy ho fiderana ny Avo, Antsan’ny Fifankatiavana, Antsan’ny Fitiavana mba ho vavolombelon’I Jesosy Kristy nitsangan-ko-velona, ho vavolombelon’ilay Mpamonjy.
Tonga nitory ny Filazantsara an-kira teto amin’ny Tafo FPMA Creil ireo Tafo FPMA rahavavy, dia ireto avy: Amiens - Caen – Lille – Rouen, naneho ny firedaredan’ny Finoany, hanambarana amin’ny fiaraha-monina fa vonona hatrany izy ireo hanambara sy hanantanteraka ny asa misiona napetraky ny Tompo taminy, hanantanteraka ny Adidy masina izay efa natao safidiny ary nataony safidy.
Tanteraka soa aman-tsara teto Creil ny fiombonam-panahin-tsika vahoakan’ny FPMA tamin’I Jesosy Kristy taty amin’ny Faritra Avaratra Andrefana, koa azy irery ny voninahitra mandrakizay mandrakizay ary Fiadanana ety an-tany amin’ny olona ankasitrahany.
Ny Filoha
Patrick RAVONINAHIDRAIBE