“Raha misy te ho voalohany dia atao farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra izy”
Eto amin’ny fiaraha-monina misy antsika dia refesina amin’ny andraikitra tanany eo amin’ny fiaraha-monina ny halehibeazan’ny olona na ny hakelezany, refesina amin’ny asa ataony, refesina amin’ny harenany, amin’ny diplaoma ananany, refesina amin’ny fihaviany avy any Madagasikara na ny faharetany tonga teto Frantsa.
Zavatra hafa mihitsy ny fampianaran’i Jesosy ny amin’izay te ho lehibe eto amin’ity texte ity. “Raha misy te ho voalohany dia atao farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra izy”. Talohan’izao tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany izao dia fantatr’i Jesosy fa niady hevitra ny amin’izay ho lehibe ireto mpianatra ireto. Raha vao nilaza ny amin’ny tsy maintsy hahafatesany Jesosy dia nanomboka ny adi-hevitr’izy ireo.
Iza no lehibe? :
Petera izay zokiolona sady be resaka ve? Sa i Jaona izay zandriny indrindra sa i Tomasy ilay rationaliste sa i Matio mpamory hetra (be vola) sa Natanaela tsy be teny sa ny hafa? Niady hevitra izy ireo ny amin’izay tokony hitondra ny groupe ao aorian’ny fahafatesan’ny Tompo. Tsy nino ny tenin’i Jesosy izy ireo - tsy nino ny fanambaràn’i Jesosy izy ireo fa tsy maintsy hitsangana ny Tompo ary hitoetra eo amin’izy ireo ambarapahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Amin’ny teny hafa dia hoe ny olona tsy mino no miady seza! Ny tsy mino no manao tsinontsinona ny tenin’i Kristy! Ny mino dia matoky mandrakariva fa velona eo aminy ny Tompo na tsy hitan’ny masony aza ka mametraka Azy ho lohany amin’ny zavatra rehetra. Lohany amin’ny fanapahana ny fiainany - lohany amin’ny fanompoany - lohany amin’ny famonjena azy.
Eto raha miteny Jesosy hoe : “Raha misy te ho voalohany dia atao farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra izy”, dia tsy naka ohatra lavitra izy fa ny tenany no nalainy ohatra. Hijaly aho hoy Izy, avy eo ho faty ary hitsangana indray (and 30-32). Fa na dia Zanak’Andriamanitra aza Izy dia “nofoanany ny tenany tamin’ny nakàny ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona izy dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana dia ilay fahafatesana tamin’ny Hazo fijaliana” (Filip 2. 7). Izy Tompo nanasa ny loton’izao tontolo izao tamin’ny ràny. Izy Tompo nanaiky ho mpanompo mba hamonjy ny hafa.
Ny teny fototra nandikàna ny hoe “mpanompo” na “serviteur” eto amin’ity texte ity dia ny teny grika hoe “diakonos” izay nihavian’ny teny hoe diakona. Ny “mpanompo” dia mpiasan’ny tompony. Izay tian’ny tompony hanaovana ny asa no hanaovan’ilay mpanompo azy. Ny toetra tian’ny tompony entina manao ny asa no hanaovan’ilay mpanompo azy. Ny tompony no tompon-tsafidy eo amin’ny fiainany.
Izay sitraky ny Tompo no sitrany – manaiky izy ny handao izay rehetra tiany nefa halan’i Jesosy. Jesosy fitiavana - Jesosy tia filaminana – Jesosy mpamindra fo - Jesosy mora fanahy - Jesosy manaja ny hafa - Jesosy lohan’ny fanetren-tena no hasandrany eo amin’ny fiainany manontolo. Izay te hanompo ny Tompo dia tsy maintsy vonona amin’izany.
Izany no nanitsian’i Jesosy ireto mpianany ireto : raha te ho lehibe ianareo dia manàna ny toetran’ny mpanompo, raha te ho lehibe ianareo dia hevero ho mihoatra noho ianareo ny olona rehetra. Akaiky ny fifidianana diakona eto amin’ny fiangonantsika : raha te hanompo ao amin’ny fiangonana ianareo dia katsaho fatratra ny toetran’ny diakonos. Fa izany fanompoana miorina amin’ny fanafoanana ny tena izany no hahazoana mamonjy ny hafa sy hanandratan’Andriamanitra ny mpanompony ary hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra.
Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.
Naina ANDRIALAMPISON, Mpitandrina