Ity texte ity dia tsy azo sarahina amin’ny Hebreo toko 9. Voalaza ao amin’ny Heb 9, 22 fa raha tsy misy rà latsaka dia tsy misy famelan-keloka. Izany no fombam-pivavahana teo amin’ny Testamenta Taloha. Ny Levitikosy 16 ohatra dia mitantara ny famonoana osilahy na ondrilahy natao fanatitra noho ny ota.
Izany fanatitra voalazan’ny Testamenta Taloha izany anefa dia tsy mahaisotra ota satria raha mahaisotra ota izany hoy ny mpanoratra ity episitily ity dia tsy ho naverimberina isan-taona (and 1-4). Tsy mahaisotra ota ireny fanatitra alatsa-drà ireny satria tsy sitrak’Andriamanitra (and 5-6) noho izy ireny naterina araka ny lalàna (and 8). Ny lalàna no nanery ny mpisorona nanao azy. Tsy sitrak’Andriamanitra izany. Ny sitrak’Andriamanitra dia izay vokatry ny fo. Ny sitrak’Andriamanitra dia ny fanaovana ny sitrapony am-pitiavana fa tsy izay avy amin’ny faneriterena avy amin’ny lalàna akory.
Izany no nahatonga an’i Jesosy hiteny hoe : “Inty aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô” (and 7, 9) dia nanatitra ny tenany am-pitiavana Izy, nanolotra ny tenany hatao fanatitra.
I Kristy dia tsy mba nitondra ràn’osy na ràn’ondry natao fanatitra, fa ny ràn’ny tenany no natolony an-tsitra-po (Heb 9, 12). Marihana anefa, fa tsy Andriamanitra Ray no mila ny ràn’i Kristy hanadiovana ny tenany. Tsy Andriamanitra no nanota. Sanatria izany!
Misy mihevitra fa ny faharatsiampon’Andriamanitra dia tsy maintsy toniana amin’ny ràn’ny tsy manan-tsiny, amin’ny ràn’ny Zanak’ondry. Misy mihevitra an’Andriamanitra ho mpamaly faty. Tsy izany no hambaran’ny Soratra Masina. Tsy Andriamanitra Ray no mila rà hanadiovana ny tenany fa isika no mila ny ràn’ny Zanak’ondry, isika no mila ny ràn’i Kristy hanadio antsika.
Andriamanitra dia fitiavana ary ny làlana mankeo Aminy dia mivoha mandrakariva amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Mba hahazoana miditra ao dia mila ny ràn’i Kristy isika hanadio antsika.
1) Ny ràn’i Kristy no manadio antsika.
Diovina isika satria mpanota no sady manao heloka isan’andro. Mpanota isika satria nandova ota. Vokatr’izany fandovàna ota izany dia misy fitongilanana amin’ny ratsy ao anatintsika ao (Sal 14, 3). Hay ho azy io manota io. Tsy ampianarina fa hay ho azy, ka dia manota isan’andro isika, velona amin’ny ota isika. Mamorona ota isan’andro koa isika no sady manao heloka koa.
Samihafa ny atao hoe heloka (péchés) sy fahotana (péché). Ohatra no entiko hanazavana azy. “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara ary ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy” (Mat 7, 17). Ny heloka dia oharina amin’ny voa ratsy avy amin’ny hazo ratsy izay manondro ny fahotana. Araka izany, ny heloka dia vokatry ny fahotana. Ny fahotana dia ny tsy finoana an’Andriamanitra, ny fandavana an’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra. Ny heloka dia ny halatra ohatra, ny fankahalana sy ny sisa maro tsy voatanisa. Mandram-piala eto an-tany dia manongotra io hazo ratsy io foana isika.
Ny ràn’i Kristy no manadio antsika amin’izany rehetra izany mba hananantsika toky mandrakizay fa tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra antsika.
2) Ny ràn’i Kristy no mampihavana antsika amin’Andriamanitra Ray.
“Ianareo izay lavitra fahiny dia nampanakeken’ny ràn’i Kristy” hoy ny apostoly Paoly (Efes 2, 13) manambara ireo jentilisa tsy nanana an’i Kristy fahiny, fa ankehitriny kosa dia ao amin’Andriamanitra noho ny ràn’i Kristy. “Kristy no ananantsika fanavotana amin’ny ràny dia ny famelana ny fahadisoantsika” (Efes 1, 7). Eo amin’izay misy famelan-keloka no misy fihavanana amin’Andriamanitra. Rehefa mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra isika dia angatahina amin’ny anaran’i Kristy izany fa Andriamanitra Ray dia mandray antsika - mijery antsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
Amin’ny teny hafa dia hoe Jesosy Kristy no mitondra antsika eo amin’Andriamanitra Ray rehefa nodioviny tamin’ny ràny isika.
3) Ny ràn’i Kristy koa no manao famoronam-baovao amin’ity tenan’ny fahafatesana ity noho ny asan’ny Fanahy Masina.
Noho ny fahotana dia mizotra ho amin’ny fahafatesana isika, tsy ny nofo ihany fa isika manontolo. Izao anefa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika araka ity Hebreo ity : “Izao no fanekena ataoko aminy hoy Jehovah : ataoko ao am-pony ny lalàko sady soratako ao an-tsainy” (and 16). Ny faneken’Andriamaintra dia Izy Andriamanitra no manatanteraka azy, Izy no mandray ny andraikitra rehetra mba hahatanteraka izany fanekena izany.
Izany no antony nanomezany an’i Jesosy Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina ho an’izao tontolo izao. Ny Fanahy Masina no manoratra ny lalàna ao am-pon’ny olona ary ny ràn’i Kristy no ranomainty anoratany azy. Ny Fanahy Masina no mamboly finoana ao am-pon’ny olona – izany finoana izany dia miorina amin’i Kristy sy ny asam-pamonjeny.
Araka izany, ny famelan’Andriamanitra heloka (sy/na fahotana) dia midika ho fandraisan’Andriamanitra ilay olona ho Azy tanteraka. Omeny ny Fanahiny hitarika azy ho amin’ny marina rehetra izy. Omeny ny Fanahiny hitarika azy ho amin’ny fibebahana marina.
Ny fibebahana marina dia ny fanekena ny tena fa mpanota sy olo-meloka (fantatra izany fahotana na heloka izany - angatahina amin’ny Fanahy Masina ny fampahafantarana izany). Ary ny vokatr’izany fiaikena izany dia nenina lalina ao am-po sy fifonana ary fanekena ny herin’ny ràn’i Kristy sy faniriana fatratra ny hosasan’izany. Manomboka hatreo, dia toetra vaovao avy amin’ny Fanahy Masina no sitrany sy ataony ary mangataka isan’andro amin’ny Tompo izy mba hampitoetra tsara azy amin’izany.
Ny fibebahana marina dia manohitra ny système de péremption ilay manao hoe ataoko ity dia mifona amin’Andriamanitra aho, ataoko ihany ity dia mifona indray aho, ataoko ihany ity dia mifona aho. Ny fibebahana marina dia fandraisana fiainam-baovao avy amin’ny Fanahy Masina.
“Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo” (II Kor 5, 17) hoy Paoly.
Jesosy Kristy mipetraka eo an-tànana an-kavanan’Andriamanitra Ray (and 12b), mifona ho antsika isan’andro isan’andro (Rom 8, 34). Noho ny Amiko Ray ô dia avelao ny helony sy ny fahotany. Midika izany fa mbola miasa Kristy, ary azo antoka ny asany. Vokatr’izany : “Ny fahotan’ny olona sy ny helony dia tsy hotsarovan’Andriamanitra intsony” (and 17).
Andriamanitra rehefa mamela antsika dia mamela tanteraka. Azo antoka ny famelany heloka (sy/na fahotana). Misy olona izay andevon’ny lasa (and 2); heloka (sy/na fahotana) efa navelan’Andriamanitra 10 taona lasa ohatra dia mbola tsiahiviny ihany ka angatahana famelana indray ankehitriny.
Hatreo amin’ny nanoloran’i Jesosy
Kristy ny tenany, dia tsy misy fandatsahan-drà intsony ho famonjena. Ampy ho mandrakizay ny ràn’i Kristy (and 12, 14) - ny ràn’i Kristy dia manadio tanteraka 100%, hatramin’izay miafina indrindra;
tsy ny lasa ihany fa hatramin'ny fieritreretantsika aza dia dioviny ho afaka amin'ny asa maty rehetra mba hanompoantsika an' Andriamanitra velona (Heb 9, 14)
Mipetraka eo an-tànana an-kavanan’Andriamanitra Ray i Kristy Jesosy mandrampanaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony (and 12b-13).
Fotoana intermédiaire izao ; fotoana eo anelanelan’ny nandresen’i Kristy an’i Satana sy ny hanorotoroany an’izy ireo amin’ny farany. Izany hoe, amin’izao androntsika izao dia mbola velona Satana ary mbola miasa na dia efa noresen’i Kristy tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty aza. Mbola hitantsika amin’izao androntsika izao ohatra ny fisian’ny kiakiaka sy tomany, taraina vokatry ny ataon’i Satana sy ny miaramilany, mbola hitantsika koa ny avonavona, ny adilahy, ny tsy fitiavana, ny fitokana-monina tsy mila ny hafa, sns.
Mandrampiala eto an-tany dia miady amin’io Satana io foana isika. Raha mbola velona ka mifoka rivotra hoy Paoly dia miady amin’io Satana io foana ny mino (Efes 6, 12). Nefa raha tsy miaraka amin’i Jesosy isan’andro isan’andro isika dia tsy afaka ny hanao izany satria tsy toa inona akory ny herintsika mihoatra amin’ny herin’i Satana.
Amin’ny teny hafa dia hoe : Jesosy no herintsika ary tsy miady irery isika, fa Izy no miady ho antsika. Ny ilazan’i Jaona apostoly izany ao amin’ny Apok 12, 11 dia izao : “Ary izy ireo (ny mino – ny fiangonana) dia naharesy azy (Satana sy ny miaramilany) noho ny amin’ny ràn’ny Zanak’ondry sy ny teny filazana Azy.”
Ny vavaka ataon’ny mino, vavaka fiadiana amin’Ilay ratsy dia fiadian’Andriamanitra atolony ny fiangonana. Ny asan’ny fiangonana izay mitory fanafahana, fampihavanana sy fiadanana dia fiaraha-miasa amin’Andriamanitra.
Mivavaka mandrakariva isika mba tsy ho azon’Ilay ratsy. Ny vavaka eto dia tsy fombafomba toy hoe rehefa hisakafo dia tsy maintsy mivavaka fa tena fanankinam-po tanteraka amin’Andriamanitra, tena fiantsoantsoana an’Andriamanitra ho antoka sy fototry ny fahavelomana, tena firaisan’aina tanteraka amin’i Kristy, tena fiainana toy rivotra iainana.
“Jesosy Kristy tsy fomba fa fiainana”.
Hitantsika eo amin’ny fiainantsika na ny manodidina antsika anefa, fa na dia mivavaka aza isika dia mety ianjadian-javatra mampalahelo ihany ny fiainantsika. Mety ho azon-doza na zava-dratsy tsy ampoizina noho ny ataon’ny sasany. Tsy midika akory izany hoe niala tamintsika Andriamanitra ka mampisalasala ny fiainan-koavintsika rahatrizay.
Andriamanitra miaraka amintsika Izy na hatrany am-pasana aza. “Fa ny nanateran’i Kristy ny tenany indray mandeha no nahatanterahany ho mandrakizay ny fanamasinana antsika” (and 10, 14). Ny hoe “olona masina” na “olona nohamasinina” dia olona nofidian’Andriamanitra ho Azy na velona na maty.
Ny mino dia matoky ary miandry ny famonjen’i Kristy amin’ny fahanginana, amin’ny finoana. Fantany fa saro-pantarina tsy takatry ny saina Andriamanitra sy ny làlany (Joba 38). Ary matoky izy fa ampy azy tokoa ny ràn’i Kristy.
Mitsatoka eto ny Hazo fijaliana! Mitete ao amin’ny fiangonana ny ràn’i Kristy! Ianao dia an’Andriamanitra na matory na mifoha na salama na marary na maty na velona. Ary mbola ho avy ny andro izay hanaovan’i Kristy io Satana io ho fitoeran-tongony (and 13) ka tsy ho afaka hiasa sy hamitaka ny zanak’Andriamanitra intsony izy. Hohidin’ny herin’i Kristy ho amin’ny fahafatesana mandrakizay izy.
Mitete eto ny ràn’i Kristy! Ao amin’ny fiangonana no hanadiovan’i Jesosy Kristy ny olona amin’ny ràny amin’ny alalàn’ny batisa mba tsy ho hita sy tsy ho tsarovana mandrakizay intsony ny fahotany.
Ao amin’ny fiangonana no handraisan’i Kristy ireo maditra ka mitady marina ny famonjena.
Ao amin’ny fiangonana no hanambatambazany ireo mafy atoka mba hahafoy ny làlany.
Ao amin’ny fiangonana no handraisany ireo mpiavonavona tsy mahavonjy tena, vonona handray fiainam-baovao.
Ao amin’ny fiangonana no handraisany ireo manana fo torotoro sy mangorakoraka.
Ao amin’ny fiangonana no hampaherezan’i Kristy ireo mamoifo – ireo kivy sy ketraka amin’izao fiainana izao – ireo tampi-dalan-kaleha sy tsy mahita hosarangotina.
Ao amin’ny fiangonana no handraisany ireo bodo sy adala – ireo ahilikiliky ny fiaraha-monina sy lazainy ho tsy misy vidiny intsony.
Ao amin’ny fiangonana no hitehirizan’i Kristy ireo rahalahiny sy anabaviny mahatoky Azy amin’ny finoana.
Ao amin’ny fiangonana no hitantanany ireo mpivahiny trotraka mba tsy ho solafaka.
Ao amin’ny fiangonana no hisakambinany ireo zahan-toetra mafy loatra mba tsy hanary ny finoana.
Ao amin’ny fiangonana no handraisany antsika ka itenenany hoe : “Ahy ianao, Izaho no niteraka anao androany”.
Ao amin’ny fiangonana no hanomezany antsika ny fanjakan’ny lanitra amin’ny alalan’ny teniny sy ny sakramenta.
Ka amin’izany dia ao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy no handraisan’Andriamanitra antsika sy hizaràny ny heriny sy ny fiainany mandrakizay amintsika. Ao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy, izay sady Andriamanitra no olona tokoa, no iombonan’Andriamanitra sy isika olombelona mandrakizay.
Koa raha mbola velona koa Kristy dia tsy hisy hahasaraka antsika amin’Andriamanitra na inona na inona, na iza na iza. “ Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Hoy Paoly. Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? Miombom-peo amin’i Paoly isika ka matoky fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. » (Rom 8, 35 sy 38)
Sambatra izay manana an’i Kristy ry havana! Kristy izay Vato fehizoron’ny fanjakan’Andriamanitra (Efes 2, 20). Ny fiangonana no vavahadin’izany fanjakan’Andriamanitra izany ary ny ràn’i Kristy dia mitete eo. Ary dia sitrak’Andriamanitra tokoa no sady maminy indrindra ny itoerantsika olombelona miaraka Aminy ao amin’izany fanjakana izany.
Mazotoa manolo-tena isan’andro ho an’Andriamanitra ry havako. Inty aho Andriamanitra ô, mifona tanteraka Aminao. Inty aho Andriamanitra ô, tena hivavaka marina tokoa. Raiso ny foko Tompo ô, ampaherezo aho. Meteza hanaiky ny tenin’i apostoly Petera manao hoe : “ Ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa...” (I Pet 4, 3) dia ho hitanao ny hatsaran’Ilay nandatsaka ny ràny ho famonjena anao.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.
Naina ANDRIALAMPISON, Mpitandrina