Isaorana anie Andriamanitra, izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. I Kor 15. 57
Isaorana anie Andriamanitra, izay manome antsika ny fandresena                   amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.                              I Kor 15. 57

Matio 20,1-16

Ny fanjakan'ny lanitra dia vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra..

 

 

Eto amin'ity fanoharana nataon'i Jesosy mikasika ny fanjakan'ny lanitra ity, "ny fanjakan'ny lanitra dia oharina amin'ny lehilahy tompon-trano izay nivoaka maraina hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony" (and 1). Teo amin'ny fiaraha-monina jiosy tamin'izany fotoana izany, ny tsy an'asa izay mitady asa dia miandry ny mpanakarama azy eny an-tsena. Eny amin'ny tsena izany no misy ny pôle emploi tamin'izany. Misy ora 12 ny ora fiasan'ny mpiasa tamin'izany - ka manomboka amin'ny ora voalohany izany ary mifarana amin'ny ora faha 12. Ny ora voalohany dia mifanandrify amin'ny 6 ora maraina ankehitriny ary ny ora faha-12 dia amin'ny 6 ora hariva.

Raha nivoaka maraina ity lehilahy nitady mpiasa ity dia nahita olona hiasa ka nifanaraka ny amin'ny karama - avy eo dia nalefany hiasa tany an-tanimboalobony ireo olona ireo. Tamin'ny ora faha-3 (9 ora maraina), dia nankeny antsena indray ity lehilahy ity hanakarama olona hafa koa. Toy izany hatrany no nataony tamin'ny ora faha-6 (12 ora), tamin'ny ora faha-9 (3 ora hariva), tamin'ny ora faha-11 (5 ora hariva). Tsy nisy karama nifanarahana toy ny tamin'ireo andiany voalohany ny an'ireto manaraka rehetra ireto fa ny nolazain'ilay mpanakarama fotsiny dia hoe : "izay ankeviny marina dia omeko anareo" (and 4).

Nony hariva ny andro - tapitra ny ora fiasana dia nomena ny karaman'ny mpiasa ka izay tonga farany izany hoe ireo nanomboka tamin'ny  ora faha-11 no nomena voalohany. Ny zava-nisy dia nitovy daholo ny karama nomen'ity lehilahy ity ny mpiasa rehetra na izay niasa nandritra ny 12 ora na izay niasa adin'ny 1.

 

Ny fahasoavan'Andriamanitra dia tsy miankina amin'ny fahamendrehan'ny olona na ny asa vitany na ny zavatra hananany.

 

Tsy nanaiky izany karama mitovy izany ireto olona nanomboka tamin'ny ora voalohany ireto ka niteny tamin'ilay mpampiasa hoe : "ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrarana sy ny hainandro" (and 12). Tsy rariny izany hoy izy ireo - misy tsy fahamarinana izany : aiza ve ka mitovy ny karama nefa ny faharetan'ny fotoana niasana tsy mitovy. Tsy vaovao ity hoe « Travailler plus pour gagner plus » ity. Angamba ny ankamaroantsika dia hiombon-kevitra amin'izany. Raha ny fiaraha-monina misy antsika tokoa no jerena dia tsy misy mahadiso ny hevitr'ireto olona tonga voalohany ireto. Tokony ho arakaraka ny fotoana niasana ny karama raisina; tokony ho sahaza ny asa vita ny karama; tokony hifanentana amin'ny diplaoma hananana ny karama; tokony ho tandrify ny fahaiza-manao na koa ny traikefa ny vola raisina sns.

Ity fanoharana ity anefa dia fanoharana ny amin'ny fanjakan'ny lanitra. Tsy mitovy amin'ny fitsipiky ny fiaraha-monina ny momba ny fanjakan'ny lanitra. Ny fanjakan'ny lanitra dia tsy zaraina araka ny fahamendrehan'ny olona na ny asa vitany na ny zavatra hananany fa vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany - vokatry ny asam-pamonjen'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana.

 

Andriamanitra dia manome maimaimpoana ny fanjakan'ny lanitra ho an'izay rehetra mandray ny fanomezany izay tsy iza fa i Kristy.

 

Raha jerentsika ny tantara dia ilay lehilahy mpampiasa no nivoaka maraina hitady mpiasa teny an-tsena ary niverimberina teny mandrankariva izy. Ireo tsy an'asa dia tsy nanao na inona na inona mba hahazoana asa afatsy ny fankanesany teny an-tsena sy ny fanekeny ny antson'ilay lehilahy nitady mpiasa. Izao fanoharana izao akory dia tsy filazana amin'ny mpitady asa hoe aza manao na inona na inona fa ho avy eo ny mpampiasa hitady anao - na hoe misorata anarana fotsiny any amin'ny pôle emploi hoe tsy an'asa dia vita.

Fanjakan'ny lanitra no resahina eto. Andriamanitra "nivoaka maraina" hitady antsika. Mbola tsy hary akory ny fanorenana izao tontolo izao hoy ny apostoly Paoly ao amin'ny Kol 1, dia efa tao amin'ny planin'Andriamanitra ny hanome an'i Kristy ho faty eo amin'ny hazofijaliana hamonjy antsika. Mbola tsy hary akory isika dia efa tonga teto an-tany Kristy hitady antsika (Lioka 19,10).

Andriamanitra dia manome maimaimpoana ny fanjakan'ny lanitra ho an'ny olona manaiky handray ny fanomezany dia Jesosy Kristy Zanany. Izany ny fahasoavana : tsy mendrika handray ity fanomezana ity isika olombelona - kanefa dia omen'Andriamanitra izany noho ny fitiavany. Tsy manery Andriamanitra fa manasa - izay manaiky ny antsony na iza na iza dia vonjeny. Tsy misy fanavahana hoe izay efa kristiana nandritra ny taona maro ihany na izay nahavita asa fanompoana be ihany no mahazo ny lanitra fa izay rehetra mandray an'i Kristy.

Ny sasany mety vao zaza amambolana dia efa natsangan'Andriamanitra ho zanaka toa an'izy mirahalahy kely vao natao batisa teo. Ny hafa mety ho efa lehibe na antitra vao nanaiky ny Tompo. Ny sasany mety ho efa tamin'ny ora faha-11. Tadidintsika tsara angamba ilay olon-dratsy iray - izay nihantona teo akaikin'i Jesosy ka niteny taminy hoe : "Jesosy ô, tsarovy aho rehefa avy amin'ny fanjakanao Ianao". Hoy Jesosy namaly azy : "anio no hihaonanao amiko any Paradisa" (Lioka 23, 40 - 43). Mety hiteny angamba isika hoe efa tratra aoriana loatra ny an'ity olon-dratsy ity. Araka io valintenin'i Jesosy io dia tsy misy tratra aoriana izany raha mbola velona. Ny famindrampon'Andriamanitra dia hatramin'ny ora farany - hatramin'ny ora faha-11. Ary mandritra ny andro dia mitady sy miantso ny olona hatrany Izy mba handray Azy.

 

Tia ny olona rehetra hovonjena Andriamanitra.

 

Araka ny fanoharana hita eto, dia misy olona tsy mankasitraka izany fahatsaran'Andriamanitra izany. Olona efa tsy tokony hotiavina intsony ve mbola tiavin'Andriamanitra ihany - olona efa tsy tokony  hamindràna fo intsony ve mbola hamindràn'Andriamanitra fo ihany - olona efa tsy misy vidiny intsony ve mbola sarobidy amin'Andriamanitra ihany.

Mety ho kely sandry angamba ka tsy nisy mpaka raha tsy tamin'ny ora faha-11 ireto andiany farany ireto - mety ho malotoloto angamba ka tsy nisy mpitia na mety malaza ratsy ka natahoran'ny olona.

Andriamanitra kosa anefa antra ny olona rehetra - tia ny olona rehetra hovonjena Izy - manasa ny rehetra na iza na iza handray ny fahasoavana omeny Izy.

Tsy fanomezana toro-marika ny mpitantana orin'asa amin'ny fakana mpiasa akory ity fanoharana ity.  Fanjakan'ny lanitra no resahina eto. Fanjakan'ny lanitra natao ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka.

 

"Ratsy va ny masonao satria tsara Aho?" hoy Jesosy (and. 15)

 

Ny fakam-panahy nahazo ireto tonga voalohany ireto dia ny tsy fiheverana afatsy ny tenany irery ihany - ny tenany ihany no mendrika. Ny fakam-panahy dia ny fanadinoana fa ny zava-dehibe indrindra eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona dia raisiny avy amin'Andriamanitra : fanomezana avy amin'Andriamanitra no nahatonga anao teto an-tany - fanomezana avy amin'Andriamanitra ny famonjena anao.

Ny fakam-panahy mpahazo ny olombelona dia ny fiheverana fa toy ny fisainantsika olombelona ny fisainan'Andriamanitra. "Ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako" hoy Jehovah araka ny teny novakiana tao amin'ny Isaia teo (Isaia 55, 8).

Manamafy izany ny valintenin'i Jesosy eo amin'ny and 15 :" Tsy mahazo manao izay tiako atao amin'ny ahy va Aho? Ratsy va ny masonao satria tsara Aho?"

 

Ny fahasoavan'Andriamanitra dia marina satria mamonjy ny olona rehetra tsy ankanavaka izy.

 

Tsy mba nanao ny tsy marina ity lehilahy tompon'ny tanimboaloboka ity. Nomeny ny karama nifanarahana taminy ireto mpiasa tonga tamin'ny ora voalohany ireto. Ny tsy fahamarinana hita eto dia ny tsy fitiavana nanjaka tao anatin'ireto nokaramaina voalohany ireto - tsy nahafaly azy ireo ny nahita ny hafa faly noho ny fahasoavana noraisiny avy amin'ny tompon'ny tanimboaloboka. Ny fahasoavan'Andriamanitra dia marina satria mamonjy ny olona rehetra tsy ankanavaka Andriamanitra. Io ny hevitr'ilay teny nataon'ilay lehilahy nitady mpiasa tamin'ireo tonga faharoa manao hoe : "Izay ankeviny marina dia omeko anareo" (and 4).

 

Ny fanjakan'ny lanitra dia izay toerana rehetra hanjakan'i Kristy.

 

Manaraka izany, ao amin'ny Filazantsaran'i Matio,  ny fanjakan'ny lanitra dia tsy manondro ny fiainana any ankoatra ao amin'Andriamanitra ihany akory fa manondro ny toerana rehetra na any an-danitra na ety an-tany izay hanjakan'i Kristy. Ny fanjakan'Andriamanitra dia toerana lavitry ny fankahalana sy ny fialonana - ny fanjakan'ny lanitra dia toeran'ny fitiavana.

 

Ny fahasoavana dia sady fanomezana maimaimpoana avy amin'Andriamanitra no fandraisana andraikitra koa (grâce = don et responsabilité).

 

Araka izany, izay nandray maimaimpoana ny fahasoavan'Andriamanitra dia manana andraikitra hizara koa izany fahasoavana noraisiny izany mba hahatonga ny tokantrano - ny fiangonana - ny fiaraha-monina - ny firenena sy izao tontolo izao hiaina sahady dieny ety an-tany ny fanjakan'ny lanitra. Ny tiana holazaina amin'ny hoe mizara ny fahasoavan'Andriamanitra dia  miaina izany fahasoavana izany - mijoro ho vavolombelon'i Kristy eo amin'ny androm-piainana rehetra na amin'ny teny na amin'ny asa. Fiainam-baovao tanteraka ao amin'i Kristy no vokatry ny fandraisana marina ny fahasoavan'Andriamanitra. Hoy indrindra ny apostoly Paoly : "Raha misy olona ao amin'i Kristy dia olom-baovao izy - efa lasa ny zavatra taloha - indreo efa tonga vaovao ireo"(II Kor 5,17). Hoy koa izy ao amin'ny Titosy 2, 11-12 : "Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra - mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filàn'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao".

 

"Ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany" (and. 16)

 

Hoy Jesosy mamarana ny fanoharana. "Ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany" - tsy hoe satria niasa na nanompo an'Andriamanitra nihoatra ny hafa ireto farany lasa voalohany ireto fa kosa manana an'i Kristy velona ao anatiny izy. Mifaly amin'ny fahasoavana noraisin'ny hafa avy amin'Andriamanitra izy. Mahay mankasitraka ny hatsaran'Andriamanitra izy. Mihevitra ny hafa ho mihoatra noho ny tenany izy. Mametraka isan'andro izao tontolo izao eo ambanin'ny fahasoavan'Andriamanitra izy. Enga anie ka ho amintsika rehetra izany toetran'ny olon'ny fahasoavana izany mba ho fifaliana ho an'ny manodidina antsika ny fahavelomantsika ary ho voninahitr'Andriamanitra izay antoka sy fototry ny zavatra ankehitriny sy ho mandrakizay.

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.

 

ANDRIALAMPISON Naina, Mpitandrina